Logo Lanfrica
  • Home
  • Atlas
  • Insights
  • Docs
  • Sign in

© 2026 Lanfrica. All rights reserved. All copyrights of the resources shown on the Lanfrica website belong to the original copyright holders, unless explicitly stated otherwise.

IT-Community-Antsirabe/teny-fampiasa-eto-antsirabe

Domain:

natural language processing
Creator:
IT-
Host:
Ireo teny fampiasa mampiavaka an'Antsirabe sy ny dikany amin'ny teny malagasy fantatry ny maro (ôfisialy). # Teny fampiasa eto Antsirabe Ireo teny fampiasa mampiavaka an'Antsirabe sy ny dikany amin'ny teny malagasy fantatry ny maro (ôfisialy). ## Hampiditra teny sy/na ohatra Raha hampiditra teny vaovao dia araho ito toromarika manaraka ito: 1. Manaova `Fork` ka tsindrio ilay bokotra volon-davenona amin'ny farany havanana mifanitsy amin'ny anaran'ilay `repository` 2. Alaivo ho ao amin'ny "ordinateur"-nao ilay `Fork` teo amin'ny alalan'ny `git clone` 3. Mamoròna `branch` vaovao ohatra `git branch fanovana` 4. Mifindrà ao amin'ilay `branch` vao noforoninao teo `git checkout fanovana` 5. Sokafy ilay `bira.json` ary jereo sao efa tafiditra ao ilay tianao ampidirina. 6. Ampitovio amin'ito ohatra ambany ito izay ampidirinao ary ataovy eny amin'ny farany ambany amin'ilay `bira.json` ``` [ { "teny" : "tsa", "dikany" : "tsy", "ohatra" : [ "tsa haiko", "tsa hitako" ] } ] ``` Efa natao `array` ny `ohatra` ka raha toa ka efa tafiditra ilay `teny` dia azonao atao ny manampy ohatra ka eo ambanin'ilay `ohatra` farany no anoratana azy. 7. Tehirizo ny fanovana nataonao. 8. Manaova `commit` hanamarihanao ilay fanovana. 9. Alefaso ao amin'ilay `Fork` nataonao ilay fanovana. 10. Manaova `Pull requests` ao amin'ny github.com ## Fanamarihana - Ialao ny fanoratra SMS. - Mba tsy ahasarotra ny fanekena ny `pull request` izay ataonao dia manaova foana `git pull` mialohan'ny handefasanao azy. ## Fanatsarana Alohan'ny handefasana ny fanovana makany amin'ny `Fork` dia tsara raha atao manaraka ny alfabeta ny lisitry ny teny mba hanamora ny fitadiavana teny. Ahafahana manao izany dia misy `Extensions` `VSCode` maro azo ampiasaina, fa ity iray ity no atao ohatra sy ampiasaina eto : Sort JSON ### Fomba hakana azy Sokafy ny `VSCode` dia tsindio ny `(Ctrl + P)` ary adikao ao ity `Commande` manaraka ity ``` ext install Thinker.sort-json ``` ### Fomba fampiasana azy ## Ireo mpandray anjara

Visit

github.com

Languages

BiraMalagasyMalagasy, Merina

Tags

antsirabehacktoberfesthacktoberfest2022jsonmadagascarmalagasy

Licenses

MIT

Similar

Antsirabe, Madagascar - 2015, land cover map Antsirabe, Madagascar - 2015, carte d'occupation du solvchahun/teny

Antsirabe, Madagascar - 2015, land cover map Antsirabe, Madagascar - 2015, carte d'occupation du sol

This work was conducted before the launch of ESA Sentinel-2 mission, which images are particularly a

vchahun/teny

Tools for low-resource machine translation teny ==== Tools for low-resource machine translation.