A keyboard layout optimised for people who type in Malagasy
# Mombamomba
Ity dia fanandramana mamorona klavie natao hanoratana ny teny malagasy amin'ny fomba tsy mamizana tanana, izay azo antsoina ihany koa hoe fitendry ergonomika na clavier ergonomique amin'ny teny frantsay.
Mba hahafantatra bebe kokoa momba ny antony namoronana ity fitendry ergonomika ity dia vangio ny pejy *Finding an optimised keyboard layout for Malagasy* (amin'ny teny anglisy) eo amin'ny blaogiko terakasorotany.com
Ny andrana rehetra mahakasika ity fitendry nohatsaraina ho an'ny fanoratana teny malagasy ity dia hita ao amin'i Keyboard Layout Analyzer on patorjk.com
Ity repository ity dia ahitana ireo installateur hahafahana mampiasa ilay fitendry ergonomika eo amina solosaina mampiasa Windows.
## Topimason'ny Versiona 3.0
## Fametrahana amin'ny solosaina
### Dingana voalohany: Fametrahana (Windows 10)
Mankanesa eo amin'i
github.com
Ampidino (download) ny rakitra ZIP izahy hahitanao ny mpametraka (installer) ny fitendry malagasy.
Aitaro (extract) ny rakitra ZIP ary mankanesa ao amin'ny petra-drakitra `malagasy`
Tsindrio indroa ny `setup.exe`. Rehefa vita izany dia tokony mahita hafatra toa ny eo ambany ianao:
### Dingana faharoa: Fampiasana (Windows 10)
Ovay ny safidy ara-piteny (préférences linguistiques)
Ataovy `Ajouter une langue` dia soraty `Malagasy`
Rehefa nampiana ny teny malagasy dia tsindrio ny `options` dia `Ajouter un clavier`
Tadiavo ao amin'ny lisitra ny hoe `Malagasy - Ergonomic Keyboard 2.2
Rehefa vita izany dia ao amin'ny lisitry ny fitendry azonao ampiasaina amin'izay ny fitendry malagasy.
## Fanalana amin'ny solosaina
Rehefa miseho ny hafatra toa ny eo ambany dia efa afaka tamin'ny solosainao ilay fitendry: