Quotes Gasy aka QG dia mitahiry quotes-na malagasy nalaza na malaza.
# Quotes Gasy aka QG
JSON mitahiry ireo "quotes" na "citations" malagasy (malaza na tsia).
## Hampiditra quotes
Raha hampiditra "quotes" vaovao dia araho ito toromarika ito:
1. Manaova `Fork` ka tsindrio ilay bokotra volon-davenona amin'ny farany havanana mifanitsy amin'ny anaran'ilay `repository`
2. Alaivo ho ao amin'ny "ordinateur"-nao ilay `Fork` teo amin'ny alalan'ny `git clone`
3. Mamorona `branch` vaovao ohatra `git branch modif1`
4. Mifindrà ao amin'ilay `branch` vao noforoninao teo `git checkout modif1`
5. Sokafy ilay `quotes.json` ary jereo sao efa tafiditra ao ilay tianao ampidirina.
6. Ampitovio amin'ito ohatra ambany ito izay ampidirinao ary ataovy eny amin'ny farany ambany amin'ilay `quotes.json`
```
[
{
"name": "Ra Force",
"quotes": [
"Amin'azy amin'azy"
]
},
{
"name": "Andry Nirina Rajoelina",
"quotes": [
"Velirano no ataoko aminao ry vahoaka malagasy fa ..."
]
},
{
"name": "Marc Ravalomanana",
"quotes": [
"Faly aho, tena faly aho"
]
}
]
```
Efa natao `array` ny `quotes` ka raha toa ka efa manana `quote` ao ilay olona dia eo ambanin'ilay azy farany apetraka izay ampianao.
7. Tehirizo ny fanovana nataonao.
8. Manaova `commit` hanamarihanao ilay fanovana.
9. Alefaso ao amin'ilay `Fork` nataonao ilay fanovana.
10. Manaova `Pull requests` ao amin'ny
github.com
## Fanamarihana
- Ialao ny fanoratra SMS.
- Mba tsy ahasarotra ny fanekena ny `pull request` izay ataonao dia manaova foana `git pull` mialohan'ny handefasanao azy.
## Fanatsarana
Alohan'ny handefasana ny fanovana makany amin'ny `Fork` dia tsara raha atao manaraka ny alfabeta ny lisitry ny `quotes` mba hanamora ny fitadiavana teny.
Ahafahana manao izany dia misy `Extensions` `VSCode` maro azo ampiasaina, fa ity iray ity no atao ohatra sy ampiasaina eto : Sort JSON
1. Fomba hakana azy
Sokafy ny `VSCode` dia tsindio ny `(Ctrl + P)` ary adikao ao ity `Commande` manaraka ity
```
ext install Thinker.sort-json
```
2. Fomba fampiasana azy
## I …