Ireo teny fampiasa mampiavaka an'Antsirabe sy ny dikany amin'ny teny malagasy fantatry ny maro (ôfisialy).
# Teny fampiasa eto Antsirabe
Ireo teny fampiasa mampiavaka an'Antsirabe sy ny dikany amin'ny teny malagasy fantatry ny maro (ôfisialy).
## Hampiditra teny sy/na ohatra
Raha hampiditra teny vaovao dia araho ito toromarika manaraka ito:
1. Manaova `Fork` ka tsindrio ilay bokotra volon-davenona amin'ny farany havanana mifanitsy amin'ny anaran'ilay `repository`
2. Alaivo ho ao amin'ny "ordinateur"-nao ilay `Fork` teo amin'ny alalan'ny `git clone`
3. Mamoròna `branch` vaovao ohatra `git branch fanovana`
4. Mifindrà ao amin'ilay `branch` vao noforoninao teo `git checkout fanovana`
5. Sokafy ilay `bira.json` ary jereo sao efa tafiditra ao ilay tianao ampidirina.
6. Ampitovio amin'ito ohatra ambany ito izay ampidirinao ary ataovy eny amin'ny farany ambany amin'ilay `bira.json`
```
[
{
"teny" : "tsa",
"dikany" : "tsy",
"ohatra" : [
"tsa haiko",
"tsa hitako"
]
}
]
```
Efa natao `array` ny `ohatra` ka raha toa ka efa tafiditra ilay `teny` dia azonao atao ny manampy ohatra ka eo ambanin'ilay `ohatra` farany no anoratana azy.
7. Tehirizo ny fanovana nataonao.
8. Manaova `commit` hanamarihanao ilay fanovana.
9. Alefaso ao amin'ilay `Fork` nataonao ilay fanovana.
10. Manaova `Pull requests` ao amin'ny
github.com
## Fanamarihana
- Ialao ny fanoratra SMS.
- Mba tsy ahasarotra ny fanekena ny `pull request` izay ataonao dia manaova foana `git pull` mialohan'ny handefasanao azy.
## Fanatsarana
Alohan'ny handefasana ny fanovana makany amin'ny `Fork` dia tsara raha atao manaraka ny alfabeta ny lisitry ny teny mba hanamora ny fitadiavana teny.
Ahafahana manao izany dia misy `Extensions` `VSCode` maro azo ampiasaina, fa ity iray ity no atao ohatra sy ampiasaina eto : Sort JSON
### Fomba hakana azy
Sokafy ny `VSCode` dia tsindio ny `(Ctrl + P)` ary adikao ao ity `Commande` manaraka ity
```
ext install Thinker.sort-json
```
### Fomba fampiasana azy
## Ireo mpandray anjara